Mahaleo - Paiso Rà-kena Тексты

Vokatra ny paiso r-kena
Mirehitra ireo hazo mivoara mena
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ireo masaka

Alakamisy ariva tsy fianarana
Nifampitanana izahay roa lahy
Ho any avaratry ny labatoara
Angalatra ireo paiso r-kena


Menamena
Asa rah tadidin'ialahy
Menamena
Ny lokon'ireo fahatsiarovana



Rehefa tonga eny ambony paiso
Hidina ny varavarana
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra amin'ny tany

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roalahy amin'izay
Boba r amin'ireo paiso r-kena



Indray alakamisy izy tsy tonga
Fa lasa nifindra lavitra
Sendra hariva mena masoandro
Noheveriko fa fara andro

Nody aho tsy sahy nangala-paiso
Nifampitantana aho sy ny alaeloko
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ireo fahatsiarovana

Rehefa lehibe hamboly paiso
Ny tokotaniko hofenoiko
Rehefa vokatra ireo paiso r-kena
Ho avy ireo ankizy hangalatra
Этот текст прочитали 386 раз.